Ambasadaoron’i Japon nitsidika ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo

auteur 21 desambra 2016 Commentaires fermés
Ambasadaoron’i Japon nitsidika ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo

Nitsidika tamin’ny fomba fifanajana ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely androany tolakandro ny Masoivohon’i Japon monina sy miasa eto Madagasikara, Ichiro Ogasawara. Voaresaka tamin’izany araka ny nambaran’ity Ambasadaoro Japonais ity ny fitohizan’ny fiaraha-miasa efa nisy teo aloha eo amin’ny tanànan’Antananarivo sy ny fireneny, toy izany ny eo amin’ny sehatry ny sosialy sy ny fampandrosoana ny mponina eto an-dRenivohitra, amin’ny alalan’ireo tetikasa madinika sy salantsalany, anisan’izany ny eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, amin’ny fanamboarana sy fanatsarana ary famatsiana fitaovana ireo sekoly eto an-drenivohitra, toy izany koa ny eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, amin’ny fanamboarana sy fanatsarana ary famatsiana fitaovana ireny tobim-pahasalamana ireny, eo koa ny eo amin’ny lafiny fanamboarana tetezana eny amin’ny faritra iva eto amin’ny Tanànan’Antananarivo, sy ny tetikasa maro hafa,…