Ambohipo : Trano 2, fiara 4 ary moto maromaro no may

administrateur 10 septambra 2018 Commentaires fermés
Ambohipo : Trano 2, fiara 4 ary moto maromaro no may

Ny alahady tamin’ny  12  ora 15 ora alina no naharay antso ny sampana mpamonjy voina  teny  Tsaralalana  fa nitrangàna  fahamaizana  indray teny Ambohipo Boriboritany faha-2 eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA),  teo akaikin’ny  fiantsonan’ny taxibe 129.  Trano hazo fipetrahan’ny mpiambina  mifanakaiky  amin’ny parking  no nahazoana  antso  fa  nirehitra, kanjo  afo nijoalajoala  no  hita rehefa tonga teny an-toerana ny mpamonjy voinan’ny CUA  satria niitatra   tamin’ireo moto  sy fiara nipetraka  teo an-toerana  ny afo tamin’izany.

Raha  ny fanazavàn’ny  kapiteny  Randrianarisoa,  tompon’andraikitra  ao amin’ny  sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana   dia trano  miisa 2,   fiara 4 ary  moto  maromaro  no may kila  forehitra tsy nisy azo noraisina  intsony, ny  fiara 4  no  nandalovan’ny afo. Isaorana  an’Andriamanitra kosa hoy izy  fa tsy nisy ny naratra na  aina  nafoy satria tonga  ara-potoana  ny mpamonjy voina  namehy  ny afo  izay nifandrombonan’ny  mpamonjy voina etsy Tsaralalana  sy Andravoahangy. 20 minitra dia voafehy tsy niitatra  tamin’ireo trano sy fiara  manodidina ny afo tamin’izany hoy ihany ny kapiteny Randrianarisoa.