Analakely mpivarotra

auteur 6 octobra 2016 Commentaires fermés
Analakely mpivarotra

Niala ny saron-tavan’ireo mpitarika ny hetsiky ny mpivarotra amoron-dalana androany raha niantso olona hanao fihetsiketsehana teo anoloan’ny Lapan’ny Tanána Analakely, io maraina io.

Olona nafana fo tamin’ny fikambanana iray, efa nivadika any amin’ny antokon’ny fitondrana no nanentana ireto olona vitsivitsy hanao ilay hetsika fitakiana. Maro no nahafantatra azy ary nanao tai-dositra ny tenany rehefa azon’ny mpanao gazety ny sariny.

Vetivety foana dia nirava ireo olona nitonona ho mpivarotra amoron-dalana  ary nizotra nakany Soarano izy ireo ary tsy hita intsony avy eo.

Ny fiadidian’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra dia tsy mitsahatra manentana ny mpivarotra  mba hanara-dalana ary efa nisy ny fifampidinihana nataon’ny roa tonta mahakasika an’i Behoririka, Mahamasina, sy ny sisa…