Antananarivo renivohitra – Boriboritany voalohany

auteur 6 octobra 2017 Commentaires fermés
Antananarivo renivohitra – Boriboritany voalohany

fanadiovana ireo tsena

Efa asa fanaon’ny Kaominina isan’andro ny fanadiovana ny tanàna sy ny manodidina azy, nihamafy kosa anefa izany amin’izao fotoana izao noho ny firongatry ny valan’aretina Pesta. Ny Alakamisy 5 Oktobra dia nitohy indray ny asa fanadiovana faobe teny anivon’ireo tsena izay mandrafitra ny tsenan’ny Boriboritany Voalohany toy ny teny amin’ny Hotely ZAIMAIKA, Tsenaben’Isotry, Petite Vitesse, sns. Ireny toerana izay tena be olona mifamezivezy  ireny moa no tena ezahina averimberina matetika ny fanadiovana azy mba hamoanana tanteraka ny valan’aretina hoy ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Boriboritany Voalohany.

CUA

Samy niara-nientana tamin’ireo mpivarotra ireo avokoa ny ekipa mpanadio ny Boriboritany Voalohany, ny sampana mpamonjy voina, ny DSH (Direction de la Santé et de l’Hygiène – BMH Isotry) tamin’ny fanadiovana  sy fandrarahana ranom-panafody ny tsena.

Efa misy ihany koa ny ezaka fanentanana ny tsirairay mba hitia sy hitandro ny fahadiovana ho tombontsoan’ny be sy ny maro.