Atrikasa niarahana tamin’ny ireo mpianatry ny ISCAM sy ny CUA.

auteur 29 septambra 2017 Commentaires fermés
Atrikasa niarahana tamin’ny ireo mpianatry ny ISCAM sy ny CUA.

Notontosaina tamin’ny Alatsinainy  faha-25 Septembre teo ny atrikasa  niarahana tamin’ireo mpianatrin’ny  Universite Iscam na ny ( Institut   Superieure de la Communication des Affaires et du Management) ka ny  kilasy Master 1 sy Master 2 sampam-pianarana “Design Thinking”, no nanan- tanteraka izany. Ny  “Direction Culturelle et de la Vie Communauteur”  ao amin’ny sampan-draharahan’ny Fizahantany izay ato amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra moa no anisan’ny niahy sy nampiantrano azy ireo anantontosaina ny asa. Nisy ihany ko ireo mpiray miombon’antoka tamin’ny fananterahana izany  toy ny: CUA, ISCAM, ary ny ONUDI.

CUA

Manodidina ny 35 eo ho eo ny isan’ireo mpianatra nanatrika izany  raha ny fantatra dia ny “Etude de l’Environnenment et Place Publique et Marché” no novoizina tamin’izany ka ny tanjona dia ny hanatsarana ny tanànan’Antananarivo amin’ny fomba maoderina sy mivoatra mba isarihana ny tsirairay ho tia ny Tanana .

Haharitra dimy andro ny atrik’asa ka ho faranana ny Sabotsy faha 30 ny volana Septembre ho avy izao eny amin’ny ISCAM izay  arahana ny fanolorana ny tetik’asa, izay marihina fa mbola andiany voalohany ihany izy ity. Eo amin’ny fatanterahana ny asa dia misy ny  manam-pahaizana avy any ivelany hanampy sy nanaraka  ireo mpianatra. Marihana  moa fa roa taona no vinavina anaovana ny asa fa fanombohany ihany izao.