Boriboritany: Fanalana ireo peta-drindrina

auteur 13 febroary 2017 Commentaires fermés
Boriboritany: Fanalana ireo peta-drindrina

Nanala ireo peta-drindrina tsy manara-dalàna teny amin’ny faritr’Antanimena ny ekipa teknika avy ao amin’ny Boriborintany Voalohany ny marainan’ny zoma 10 febroary. Mpiasa 26 no indray nirotsakaan-tsehatra nanatanteraka izany. Marobe ireo peta-drindrina tsy mipetraka amin’ny toerana natokana ho amin’izany, ka izany no naha-tonga ny kaominina sy ny Boriboritany manala izany.

Anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny ben’ny Tanàn’Antananarivo Renivohitra rahateo ny fanadiovana sy ny fanatsaràna ny tanàna ka izay indrindra no nandrisika ny ekipan’ny Boriboritany Voalohany hanala sy hanadio ny rindrina izay misy mametaka peta-drindrina tsy ara-dalàna na « affichage sauvage ». Mafimafy ny asa hoy ny tompon’andraikitra satria maro loatra ireo afisin’ny fiangonana, fianarana, artista izay mipetapetaka eny amin’ireo rindrina izay marihina fa tsy azo hanaovana izany.

Raha ny eto an-drenivohitra dia efa misy ireo toerana izay natokana ho an’ny fametahana afisy, alohan’izay dia tsy maintsy manao fangatahana eny anivon’ny Kaominina ireo izay mikasa hametaka izany..

Entanina ny rehetra noho izany mba hanaja ny fandaminana  ka hametaka ny afisy eny amin’ny toerana voatokana ho  amin’izany.