Boriborintany faha 6 (CUA): Nanao fanadiovana faobe entina miady amin’ny aretina pesta

administrateur 21 septambra 2018 Commentaires fermés
Boriborintany  faha  6 (CUA): Nanao fanadiovana faobe entina miady amin’ny aretina pesta

Araka   ny toromariky  ny ben’ny  tanàna,  Lalao Ravalomanana,   amin’ny tokony  hampadio  ny Tanàna hatrany, amin’ny maha soa iombonan’ny Malagasy azy   dia niara-nientana  nanao fanadiovana faobe  teny amin’ny  boriborintany faha- 6 ny ekipan’ny kaominina Antananarivo rehetra,  notarihin’ny sekretera jeneraly  Heriniaina Razafimahefa, ny delegen’ny boriborintany  faha 6,  Fehizoro Andriamananjezika,  niampy ireo  tale isan-tsokajiny ao amin’ny  CUA izay niara-niasa tamin’ny   fanatontosàna ny asa fanadiovana, androany maraina.

Niaraka tamin’ny kaominina  tamin’izany   ny  fokonolona nanerana ny fokontany 32 ary ny RF2  ao  amin’ity boriborintany ity,  izay miisa  650.  Nozaraina  faritra  6  ny fokontany  miisa 32   voakasiky  ny  fanadiovana  :  Ankazomanga , Anosivavaka , Antanety Atsimo parking  ao amin’ny biraon’ny boriborintany faha 6, Andranomena ,  Ambohimanandray ary ny tsenan’Ambohimanarina. Araka ny fanambaràn’ny  delegen’ny boriborintany faha 6, Fehizoro Andriamananjezika  dia natao  ny  fadiovana faobe  izao  mba hisorohana  ny mety  ho fiavian’ny   aretina, indrindra ny  pesta ary mba ho  tombontsoa ho an’ny rehetra.

CUA

Tsy ny lalampirenena   ihany   hoy izy  no   nodiovina teto  fa  ireo lalan’ny kaominina ihany koa, ankoatra izay, teo ny fanesorana  ny loto manentsina ny lakandrano. Eto  izahay dia miantso ny tompon’andraikitra  manala  ny fako na ny manana andraikitra  manandrify izany  hoy hatrany  ny delege Fehizoro Andriamananjezika,  mba hanao ny asany  hibata  ny fako  ho tombontsoan’ny mponina eto amin’ny tanànan’Antananarivo.  Manentana  ny mponina ihany koa mba  hitandro mandrakariva  ny fahadiovana, satria izay  tsy mandoto dia efa naman’ny manadio ihany.