Boriborintany faha 6: Nanao fanadiovana faobe omaly

administrateur 3 aogositra 2018 Commentaires fermés
Boriborintany  faha 6: Nanao fanadiovana  faobe  omaly

Araka ny toromariky ny ben ‘ny tanana Lalao Ravalomanana, na asa andavan ‘andron ‘ny CUA aza ny fanadiovana ny tanana dia misy ny andro atokana ho fanaovana fanadiovana faobe, Androany maraina dia teny amin ‘ny fokontany Antanety avaratra sy Andranomena indray no nanaovan ‘ny boriboritany faha 6 Antananarivo renivohitra fanadiovana faobe. Nitarika ny asa  fanadiovana  tamin’izany   ny lefitra  faharoan’ny delegen’ny boriborintany faha 6  Andrianatoandro Sitraka  sy ny mpiara-miasa aminy.

Nisy araka  izany ny fisokirana  ny   tatatra  fandehanan’ny  rano maloto  sy ny  fanalàna   ny   loto mivangongo.  Manentana ny mponina hatrany ny CUA amin ‘ny fikajiana ny fahadiovana mandrakariva   mba ho soa iombonan ‘ny vahoaka hatrany izany  hoy  Sitraka  Andrianatoandro  lefitry ny  delegen’ny boriborintany  fa izay  tsy mandoto dia efa naman’ny manadio  hoy  izy. Mbola hitohy ny fanadioavana fa tsy mijanona eo fotsiny.