boriborintany faharoa, fitokanana toerana fanasan-damba (bassin lavoire).

auteur 8 aogositra 2017 Commentaires fermés
boriborintany faharoa, fitokanana toerana fanasan-damba (bassin lavoire).

Mitohy hatrany ny fanatsarana sy fanavaozana ny tanàna eto anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsy latsa-danja amin’izany ny eny amin’ny boriborintany faharoa.

Tonga  teny amin’ ny Cité Mandroseza ny tomponandraikitra avy ao amin’ny boriborintany faharoa,izay notarihin’ny delege Razafindrabe Jaques sy ny tomponandrakitra hafa avy ao amin’ny Kaominina, izay nahitana mpanolotsainan’ny tanàna (conseiller municipal) hitokana toerana fanasan-damba.

Efa roa volana mahery teo izay no nanomboka ny fanamboarana ity fotodrafitr’ asa ity. Sahirana ny mponina  nohon’ny tsy fisian’ny toerana fanasan-damba ka nangataka tamin’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny boriboritany izy ireo mba hanangana izany.

Marihana fa nanampy ny kaominina tamin’ny fanantanterahina ny asa ny fikambanana Taratra. Tsy andoavam-bola ny fampiasana ity « bassin lavoire » vaovao ity.