Boriborintany Fahatelo : Fankalazana ny faha 30 taona

auteur 11 aprily 2017 Commentaires fermés
Boriborintany Fahatelo : Fankalazana ny faha 30 taona

Ny faran’ny herinandro teo dia nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny lalao ara-panatanjahatena teny amin’ny kolejy  ESCA Antanimena ny fankalazana ny faha-telopolo taona ny boriborintany fahatelo  Antaninandro.Fiangonana, orinasa ary fikambanana  maro teo anivon’ny boriborintany no tonga namaly ny antso ka nandray anjara tamin’ity hetsika ity.  Betsaka ny lalao nifanitsanana, anisan’izany ny karatra, ny  baolina kitra, ny basket ary ny volley-ball…

Omaly Alahady no natao ny lalao famaranana sy  ny fizarana ny loka. « Coupe », « médaille » ary tee-shirt  avy amin’ny Orange, izay mpanohana ofisialy ny hetsika no natolotra ireo mpandresy tamin’izany.

Araka ny voalazan’ny Lehiben’ny boriborintany dia hetsika fanombohana ihany izao fa mbola hisy zavatra hafa toy ny fanadiovana faobe hampiavaka ny boriborintany fahatelo hatao  hanohizana ny fankalazana.