mairie-antananarivo – boriboritany faha-6 – ambodihady ambohimanarina fanamboarana lalan-kely

boriboritany faha-6 – ambodihady ambohimanarina fanamboarana lalan-kely

auteur 25 aogositra 2017 Commentaires fermés
boriboritany faha-6 – ambodihady ambohimanarina fanamboarana lalan-kely

Ny Zoma 18 Aogositra 2017 lasa teo no niroso tamin’ny fanamboarana lalan-kely teny amin’ny Fokontany Ambodihady Ambohimanarina ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Boriboritany faha-6 ka 2 herinandro eo ho eo ny faharetan’ny asa.

Efa an-taonan’ny maro izany hoe efa ho 50 taona mahery teo ho eo no tsy nisy ny fikitihana ity lalan-kely ity ka izy izao asiana fanamboarana izao indray.

Lalana mirefy 161 metatra no ezahana asiana fanamboarana satria rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra dia mijaly tokoa ireo mponina manodidina ary indrindra ireo mpianatra. Ankoatra izay dia efa maro ihany koa ireo lalan-kely efa vita fanamboarana teny an-toerana. Izany no tontosa dia noho ny fiaraha-miasan’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny Boriboritany faha-6.

 

                  CUA