Boriboritany faha-6

auteur 2 novambra 2017 Commentaires fermés
Boriboritany faha-6

fitokanana fotodrafitr’asa

Notokanana  tamin’ny fomba ofisialy ny Alakamisy 2 Novambra 2017 ny fotodrafitr’asa iray fanariam-pako teny amin’ny fokontany Ambatolampy. Tonga nanotrina izany ny Delegen’ny Boriboritany faha-6 Andriamatoa ANDRIAMANANJEZIKA Fehizoro sy ireo olo-manakaja sy olom-boafidy maro teny an-toerana. Raha araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra iray avy eo anivon’ny fokontany Ambatolampy dia natao izao fotodrafitr’asa izao noho ny fahasimban’ny « bac à ordure » matetika teny anivon’ity fokontany ity, teo ihany koa ny fiparitahan’ny fako manerana ny lalam-bahoaka sy ny fahatsetseman’ny lakan-drano.

CUA

Izao fotodrafitr’asa izao no tafajoro  dia noho ny fiaraha-miasan’ny Boriboritany faha-6, ny Association Mahasoa, ny Fokontany Ambatolampy, ny RF2 (Rafitra Fahadiovana sy Fidiovana) ny SAMVA sns… tokantrano 2 000 eo ho eo no misitraka ity fotodrafitr’asa ity ary efa misy ihany koa ny tompon’andraikitra manokana izay hisahana ny fitandroana ny fahadiovana sy ny fanaraha-maso ny toerana.