Boriboritany fahadimy: Fanadiovana ny tsenan’Analamahitsy

auteur 20 octobra 2017 Commentaires fermés
Boriboritany fahadimy: Fanadiovana ny tsenan’Analamahitsy

Fanadiovana ny tsenan’ Analamahitsy

Nanatanteraka fanadiovana ny tsenan’Analamahitsy ny avy eo anivon’ny  Boriboritany fahadimy, ny mpamonjy voina ary ny BMH Isotry,Dorkasy FJKM androany  20 Oktobra 2017.

CUA

Asa fanadiovana efa fanao mahazatra an’ireo Ekipa Teknika avy ao amin’ny Boriboritany fahadimy ihany izao notanterahina izao. Fa nohon’ny fisian’ny valan’aretina samihafa toy ny pesta dia natao mafy mafy kokoa. Nosokirina avokoa ireo tatatra rehetra, notapahina ireo lobolobo, nokikisana ireo peta- drindrina efa lany andro, avy eo dia nodiovin’ny mpamonjy voina tamin’ny rano ary nofaranana tamin’ny  famendrahana fanafody mamono  mikraoba. Nisy ihany koa fanentanana ireo mpivarotra amin’ny fitandrona ny fahadiovana.

Tsy indray mandeha ihany no hanatanterahana izao hetsika izao,araka ny nambaran’Atoa RAKOTO Emmanuel Richard Lehiben’ny Boriboritany  fa mbola hitohy isan-kerin’andro any amin’ireo faritra rehetra iadidin’ny Boriboritany fahadimy ary misandrahaka any amin’ireo Boriboritany enina eto Antananarivo Renivohitra.

 CUA

Tsy mijanona hatreo ny asa fanadiovana tanterahin’ny Boriboritany fahadimy . Fa mbola misy ary hitohy hatrany ny fiaraha- miasa amin’ireo Dorkasy foibe amin’ny asa fanadiovana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra.