Boriboritany fahadimy: Asa fanadiovana teny anjanahary II N

administrateur 18 septambra 2018 Commentaires fermés
Boriboritany fahadimy: Asa fanadiovana teny anjanahary II N

Mitohy hatrany ny asa fanadiovana tanterahan’ny Boriboritany fahadimy. Notohizana  teny amin’ny faritra manasaraka an’Anjanahary II N sy Besarety: Gerchard ny asa omaly 17 Septambra 2018.

Niara-nanatanteraka izany ireo ekipa teknika sy ireo mpamafa lalana, ka sady nofafana ny lalana no nosokirina ny tatatra nandritra izany. Ary vinavinaina ho vita ao anatin’ny herinandro ny asa satria dia hita fa tena maloto tokoa.

Tsy hijanona eny amin’iny faritra iny ihany ny fanadiovana fa mbola hitohy hatrany  ho fampianarana ny mponina ahalala hitandro ny fahadiovana. Ary mba hanatrarana ny vinan-dRamatoa Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana hoe : tanàna madio sy maha te honina ny renivohitra Antananarivo.