Boriboritany fahadimy: Didim – poitra faobe CUA

administrateur 6 jolay 2018 Commentaires fermés
Boriboritany fahadimy: Didim – poitra faobe CUA

Notanterahina ny 05 jolay 2018 ny didim-poitra  faobe maimaimpoana teny amin’ny Boriboritany fahadimy, nitarika ny hetsika ny Lehibeny Atoa RAKOTO Emmanuel Richard ary nanotrona izany ireo tompon’andraikitra  sy ireo Mpanolotsaina avy eo anivon’ny fiadidina ny tanànan’Antananarivo.

Zazalahy manodidina ny 60 isa avy amin’ireo fianakaviana sahirana  eo anivon’ireo fokontany 27 ao anatin’ity Boriboritany ity no  nisitraka izany, ary nisy ny fizaràna baolina, malabary ary biscuits ho an’ireo zaza natao hasoavana. Vokatry ny fiaraha- miasa amin’ny Clinique Fidy eo Ambatomainty izay efa mpiara- miasa akaiky amin’ny Boriboritany fahadimy ihany koa no nahafahana nanatontosa izao didim-poitra faobe izao.

Efa fanao isan-taona ity hetsika fizaràna fahasoavana ho an’ny vahoaka ity ary araky ny toromarika sy vinan-dRtoa Ben’ny tanàna Lalao RAVALOMANANA, satria izy dia mikatsaka mandrakariva izay ahasoa ny mponina.