mairie-antananarivo – Boriboritany fahadimy : Fametahana ampoule

Boriboritany fahadimy : Fametahana ampoule

administrateur 12 jolay 2018 Commentaires fermés
Boriboritany fahadimy : Fametahana ampoule

Takamoa (ampoules)    443   isa no napetaka eny amin’ireo andrin-jiro any amin’ireo fokontany 27 ao anatin’ny Boriboritany fahadimy, ary nisy ihany koa ireo napetaka tao amin’ireo toeram-piasana teny Ambatomainty. Ireo ekipa teknika  avy eo anivon’ny   Boriboritany   sy ny  Direction des Travaux Publics (DTP) avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra  ary ny Jirama  no niara-nisalahy nanatanteraka ny asa nanomboka ny 21 Jona 2018 ka hatramin’ny 11 Jolay 2018.

Izao no natao mba hitandrona ny filaminana eny anivon’ny Fokontany  rehefa hariva araka ny toromarika nomen-dRtoa Ben’ny tanàna Lalao RAVALOMANANA. Satria miezaka mandrakariva izy ny hanasoa ny fiainan’ny vahoaka eny ifotony.