Boriboritany Fahadimy: Fanolorana fitaovana ho an’ ireo mpamafa lalana

auteur 7 novambra 2017 Commentaires fermés
Boriboritany Fahadimy: Fanolorana fitaovana ho an’ ireo mpamafa lalana

Natolotra ireo mpamafa lalana eo anivon’ny Boriboritany fahadimy ny 06 Novambra 2017 ireo fitaovana entina manadio   avy amin’ny Ambassade de Chine.

Borety 13 isa sy fitaovana hafa toy ny kifafa sy pelle no nomena azy  ireo entina manadio ny Tanàna.

Tanjona ny hanamafisana sy hitandrona ny fahadiovan’ny tanàna maharitra fa tsy mandritra izao fotoana hisian’ny valan’aretina izao ihany.

Ny Boriboritany fahadimy dia mbola manokatra varavarana hatrany amin’ireo malala- tanana vonona ny hiara- hientana amin’ny fanadiovana sy fampandrosoana ny Tanànan’Antananarivo.