Boriboritany fahadimy: Fisoratam-panambadiana maimaimpoana

administrateur 3 octobra 2018 Commentaires fermés

Araka ny vinan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ramatoa Lalao RAVALOMANANA, miompana amin’ny fikarakarana ireo vahoaka sahirana.

Ny Boriboritany fahadimy dia mikarakara :

“FISORATAM-PANAMBADIANA sy FANORATANA IREO ZAZA AO ANATIN’NY BOKIM-PIANKOHONANA MAIMAIMPOANA”.

Izany dia ho tanterahina ny Sabotsy 27 Oktobra 2018 amin’ny 01 ora tolakandro, ao amin’ny Biraon’ny Boriboritany faha-5, Ambatomaity.

Raha mila fanazavana fanampiny dia afaka manatona ny Biraon’ny Boriboritany fahadimy eny Ambatomainty.