Boriboritany Fahadimy: Fizarana fanomezana ho an’ireo mpiasa

administrateur 27 jona 2018 Commentaires fermés
Boriboritany Fahadimy: Fizarana fanomezana ho an’ireo mpiasa

Nohon’ny fahatongavan’ny asaramanitra, izay ahatsiarovana ny fiverenan’ny fahaleovantenan’ny firenena Malagasy sy ho fankasitrahana ireo mpiasa eo anivon’ny Boriboritany fahadimy. Dia nisy ny fizaràna vary 4kg sy biscuits 4 fonosana ho azy ireo ny 25 jona 2018.

Samy nahazo ny anjarany avokoa  ireo mpiasa rehetra tamin’izany. Na ny miasa anaty birao na ireo mpanadio ny tànana ary tsy adino ihany koa ireo Mpitan-tsoratra sy Mpitahiry vola eny anivon’ireo fokontany 27 hiadidin’ny Boriboritany fahadimy.

Marihina fa vokatry ny ezaka manokan’ny Boriboritany fahadimy no nahafana nanatanteraka izao hetsika izao.

Nandritra izany dia tsy adinon’ Atoa RAKOTO Emmanuel Richard,Lehiben’ity Boriboritany ity   ny nitondra ny teny firarian-tsoa avy amin-dRtoa Ben’ny tanàna ho an’ireo mpiasa, ka mba samy hanao fety sambatra avokoa ny rehetra.