Boriboritany IV (CUA): Fandaminana ny mpivarotra « Tsena namontana »

administrateur 14 septambra 2018 Commentaires fermés
Boriboritany IV (CUA): Fandaminana ny mpivarotra « Tsena namontana »

Nohon’ny toromarika avy amin’ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra (CU), ny kolonely RAMBOASALAMA Emilien, ary nohon’ny fahitana fa maloto sy mikorontana ny tsenan’i Namontana sy ny manodidina, dia nanala ireo mpivarotra amoron-dalana sy nandamina ny tsena, ny ekipan’ny Boriboritany faha- efatra sy ny avy ao amin’ny Intendance na  ny fiadidiana ny Lapan’ny Tanàna. Nesorina avokoa ireo mpivarotra izay mivarotra ivelan’ny tsena, izay tokony hiala tamin’ny fito maraina isan’andro.

Marihana fa ny  “Association FILAMATRA” no manadio ny ivelan’ny tsena isan’andro, nefa nohon’ny fipetrahan’ireo mpivarotra eo amin’ny sisindalana dia tsy afaka manatanteraka ny asa andavan’androny izy ireo, izany indrindra no nahatonga izao fandaminana izao.

Mba hampaharitra ny filaminana dia  hitohy izao hetsika izao, ka hatao indroa isan-kerinandro. Rahampitso dia anjaran’ny tsenan’Ankadimbahoaka indray no halamina. Rehefa vita izany rehetra izany, dia hatomboka ny fanadiovana faobe eny amin’iny faritra iny.