mairie-antananarivo – Boriboritany voalohany (Ambohijatovo): Fanadivana faobe

Boriboritany voalohany (Ambohijatovo): Fanadivana faobe

administrateur 14 jona 2018 Commentaires fermés
Boriboritany voalohany (Ambohijatovo): Fanadivana faobe

Taoriana ny hetsika fanadiovana faobe izay notanterahan’ireo hery velona rehetra avy ao amin’ny Boriboritany Voalohany teny amin’ny faritra 67 Ha dia nitohy teny Ambohijatovo indray izany hetsika izany ny andron’ny Talata 12 Jiona 2018.

Samy niara-nientana teny an-toerana avokoa ireo mpiara-miasa  rehetra avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, niaraka tamin’ny solotenan’ny mpivarotra ary ireo avy eny amin’ny fokontany manodidina.

Araka ny nambaran’ny Delegen’ny ny Boriboritany Voalohany Andriamatoa RAHARIVELO Tiana Harilaza dia hisy hatrany ny hetsika fanadiovana faobe toy izao isan-kerinandro mba ho fifampitaizana sy ho fanentanana ny vahoaka amin’ny tokony hanajana sy hitandrovana mandrakariva ny fahadiovana.

Nanamafy hatrany izy fa samy tompon’andraikitra avokoa ny tsirairay amin’ny fahadiovan’ny Tanàna noho izany dia  tsy mitsahatra ny manentana ny mponina ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mba samy tsy handoto satria izay tsy mandoto dia efa anisan’ny manadio.

Hiverimberina matetika ny hetsika fanadiovana faobe eto anivon’ity Boriboritany Voalohany ity satria Tanàna madio sy milamina no tanjona.