mairie-antananarivo – Boriboritany Voalohany (Andavamamba Anjezika I): Fanesorana fako nisavovona

Boriboritany Voalohany (Andavamamba Anjezika I): Fanesorana fako nisavovona

administrateur 10 jolay 2018 Commentaires fermés
Boriboritany Voalohany (Andavamamba Anjezika I): Fanesorana fako nisavovona

Fako nisavovona sy nihoatra ny fefy ary niparitaka eran’ny lalàna no tsikaritra tao amin’ny Fokontany Andavamamba Anjezika I ny marainan’ny Zoma 06 Jolay 2018.

Raha tsiahivina ny tantara dia efa tamin’ny taona 2013 no tsy azo hanariana fako intsony ity toerana ity satria ny tany dia manan-tompo ary efa nofefen’ny tompony mihitsy aza tamin’izany andro izany.Noho ny fahazarana dia tsy nitsahatra nanary fako teo ny olona na dia teo aza ireo dina sy sazy izay napetraka.Raha nahare izany ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra dia nilatsaka avy hatrany teny an-toerana ary nandray fepetra ka nanadio sy nanàla ireo fako rehetra ary nanentana ny mponina mba hanaja ny lalàna izay hapetraka.

Nanambara ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Boriboritany Voalohany fa  tsy maintsy notanterahana izao hetsika izao mba hisorohana ireo valan’aretina mety hitranga  sy mba hanomezana endrika ny tanàna. Nanamafy hatrany izy fa raha toa ka  mbola misy ny tranga toy izao dia tsy tokony hisalasala ireo mponina hanatona ny tompon’andraikitra akaiky azy indrindra.