boriboritany voalohany fanadiovana faobe : tsena pavillon analakely sy ny manodidina

auteur 11 aogositra 2017 Commentaires fermés
boriboritany voalohany fanadiovana faobe : tsena pavillon analakely sy ny manodidina

Mitohy hatrany ny fanadiovana faobe eo anivon’ny Boriboritany Voalohany, ny andron’ny Zoma 11 Aogositra 2017 dia ny tsenan’ny Pavillon Analakely sy ny manodidina indray no nanaovana ny fanentanana sy ny fanadiovana izay niarahana tamin’ny Pompier, ny ekipan’ny BMH, ny ekipa teknikan’ny Boriboritany ary ireo mpivarotra teny an-toerana. Nampandraisina anjara manokana eto ireo mpivarotra mba ho tsapan’izy ireo ny fahasarotan’ny fanadiovana ny loto izay havelany rehefa avy mivarotra. Tsara marihana fa tafiditra ao anatin’ ny tety andro fanadiovana ny tsena eo amin’ny Boriboritany Voalohany izao hetsika izao .Misy tsena 8 eo amin’ity Boriboritany ity ary ny 6 amin’ireo no efa vita amin’izao dia ny tsena Petite Vitesse, Isotry, Andrianjaka, Ambohijatovo, Coum 67 ha ary Analakely. Isaky ny 3 volana no ezahina asiana ny fanadiovana goavana toy izao eny amin’ireny tsena ireny mba ho tombotsoan’ny Be sy ny maro. Araka ny nambaran’ny Delegen’ny Boriboritany Voalohany Andriamatoa RAHARIVELO Tiana Harilaza fa: « anisan’ny fitaizana ny vahoaka izao hetsika ataon’ny Kaominina izao, santatra fotsiny ihany izao fa anjaran’ny tsirairay kosa no manohy izany satria dia samy tompon’andraikitra amin’ny fanadiovana sy ny fandaminana ny tanàna avokoa ny tsirairay ». Anisan’ny efa fiomanana amin’ny fiavian’ny fahavaratra ihany koa izao hetsika izao hoy hatrany ity Delege ity mba ho fisorohana ny mety fiakaran’ny rano sy ny olana mety hateraky ny fahavaratra. Tsy hijanona hatreto ny hetsika sy ny fitaizana ny vahoaka fa mbola hitohy hatrany mandra-pahatonga saina ny tsirairay.