Boriboritany Voalohany : Fokontany Isotry Atsinanana Tsaralalàna (FIATA)

administrateur 30 aogositra 2018 Commentaires fermés
Boriboritany Voalohany : Fokontany Isotry Atsinanana Tsaralalàna (FIATA)

Noentanina ireo mpivarotra mba hanatevina ireo ekipan’ny kaominina amin’ny fanadiovana

Anisan’ny tena mpandoto Tanàna ireo mpivarotra amoron-dalana, araka izany dia noentanina manokana izy ireo ny Alarobia 29 Aogositra 2018 mba hanatevina ireo mpiasan’ny Kaominina amin’ny fanatanterahana ny fanadiovana faobe izay karakarain’ny Boriboritany Voalohany isan-kerinandro miaraka amin’ireo « association » mpitantana foto-drafitr’asa eny anivon’ny Fokontany 44.

Nanambara ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Boriboritany Voalohany fa tena anisan’ny fokontany maloto ity Fokontany ity noho ny fahabetsahan’ireo mpivarotra izay tena fantatra fa mpandoto tanàna.Noentanina manokana izy ireo tamin’ity indray mitoraka ity mba ho tsapany ny havesatry ny loto izay avelany aoriana ny asa fivarotany.

Ny Kaominina Antananarivo Renivohitra dia tsy mitsahatra ny manentana ny mponina izay mila ravinahitra sy mpandalo eto an-dRenivohitra mba samy handray ny andraikitra tandrify azy amin’ny fanadiovana ny Tanàna. Izay tsy mandoto dia efa anisan’ny manadio.