mairie-antananarivo – Boriboritany Voalohany – Sampana Mpamonjy Voina – CUA

Boriboritany Voalohany – Sampana Mpamonjy Voina – CUA

administrateur 1 aogositra 2018 Commentaires fermés
Boriboritany Voalohany – Sampana Mpamonjy Voina – CUA

Fampiofanana ireo vaomieran’ny fandriam-pahalemana momban’ny famonjena voina eny anivon’ny fokontany

Nanatanteraka atrik’asa fampiofanana ny vaomieran’ny fandriam-pahalemana, ny sekretera sy Tresorier ary ny CLS avy eny anivon’ireo fokontany mandrafitra ny Boriboritany Voalohany ireo Sampana Mpamonjy Voina avy ao Tsaralalàna ny Talata 31 Jolay 2018.

Natao izao fampiofanana izao mba ho fampahafantarana sy fampianarana ireo tompon’andraikitra avy eny anivon’ny Fokontany amin’ny fisorohana ny mety fiparitahan’ny loza sy hanamora ny famehezana ny loza mandra-pahatongan’ny mpamonjy Voina. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fangatahan’ireo Mpamonjy Voina fiaraha-miasa amin’ireo Vaomiera eny anivon’ny Fokontany mba hanamora sy hanafainganana izany asa famonjena voina izany.

Araka ny Voalaza ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Boriboritany Voalohany dia anisan’ny Boriboritany ahitana tranga loza toy ny hain-trano matetika ny Boriboritany Voalohany ka izay indrindra no nahatonga azy ireo nangataka izao fampiofanana izao.

Aoriana izao fampiofanana izao  dia mbola hisy ny fidinana ifotony eny anivon’ireo fokontany eto an-dRenivohitra mba ho fampiarana izay rehetra nianarana nandritra ny fampiofanana.