Boriboritany Voalohany – Sampana Mpamonjy Voina

administrateur 7 aogositra 2018 Commentaires fermés
Boriboritany Voalohany – Sampana Mpamonjy Voina

FANENTANANA IREO MPONINA ENY ANIVON’IREO FARITRA IVA HO FISOROHANA SY HO FAMPIHENANA NY LOZA

« Izay tsara fiomanana, tsy ho tampohan’ny loza ». Araka izany dia nanao fanentanana fohy sy nanao fampianarana momba ireo fihetsika tsotra izay tokony hatao mialoha, mandritra sy aoriana ny fitrangan’ny loza ireo Sampana mpamonjy voina avy ao Tsaralalàna ny andron’ny Talata 7 Aogositra 2018.  Ny anton’izao fidinana ifotony izao dia mba ho fisorohana sy ho fampihenana ny fisian’ny loza eny anivon’ireo faritra iva izay mora tondraka sy betsaka trano hazo toy ny teny Ankasina, 3 G Hangar, Antohomadinika, Andohatapenaka. Tsara marihina  fa talohan’izao fidinana ifotony izao dia efa nisy ny fanomezana fampiofanana momban’ny asa famonjena voina ho an’ ireo vaomieran’ny fandriampahalemana sy ireo CLS avy eo anivon’ireo fokontany 44 izay mandrafitra ny Boriboritany Voalohany. Anisan’ny betsaka faritra tena tandindonin-doza ny eo anivon’ny Boriboritany Voalohany ka izay indrindra no nahatonga ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’’ity Boriboritany ity nandray izao fanapahan-kevitra izao.

Nilaza ary ny avy ao amin’ny Sampana Mpamonjy Voina fa hanao izay tratry ny heriny amin’ny fanatsarana ny asan’ny famonjena voina eto anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, kanefa na dia izany aza dia manantena ny fiaraha-miasa sy ny fandraisana andraikitr’ireo mponina izy ireo satria ny loza dia fahavalo iraisana.

Misy ny laharana maitso 118 izay afaka antsoina maimaimpoana raha sanatria ka misy ny loza.

Ny fanentanana eny anivon’ireo faritra maro eto an-dRenivohitra kosa dia mbola mitohy hatrany, ny loza mantsy tsy mampiomana fa isika mponina no mila miomana.