Communiqué 08 Martsa

auteur 7 martsa 2017 Commentaires fermés
Communiqué 08 Martsa

Ny Ben’ny Tananàn’Antananarivo Rtoa Lalao Ravalomanana dia manasa ny vahoaka rehetra   hanatrika  ny fanamarihana  ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy izay ho atao etsy amin’ny parvis etsy amin’ny lapan’ny tanàna ny Alaroba 8 marsa 2017. Hisy ny fitsidihana tranoheva maro mandritra izany.

Hanomboka amin’ny 7 ora sy sasany  ny fahatongavana. Hanafana ny fotoana ny artista maro toa  an’i Samoela, Princio, Joseph d’Af sy ny mpanakanto evanjelika. mandritra izany koa no hanatanterahana ny famaranana ny fifaninanan-kira nataon’ny vehivavin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra.  Aoka hifampilaza isika rehetra.