“COURS GRATUIT” Faradoboka eny amin’ny Boriboritany Faha Efatra (Cua)

administrateur 14 septambra 2018 Commentaires fermés
“COURS GRATUIT” Faradoboka eny amin’ny Boriboritany Faha Efatra (Cua)

Araka ny toromarika azo avy tamin’ny ben’ny tananan’Antananarivo, Ramatoa Lalao RAVALOMANANA, dia nandray andraikitra ny boriboritany faha efatra nanome fampianarana cours maimaipoana Faradoboka ho an’ireo ankizy mpianatra izay hanala ny fanadinam-panjakana « baccalauréat » izay hanomboka ny alatsinainy ho avy izao. Izany cours maimaimpoana Faradoboka izany dia nampitondraina ny lohateny hoe « Sopapa farany ».

CUA

Ny tanjona amin’izao hetsika izao dia ny mba hanampiana ireo mpianatra amin’izao ankatoky ny fanadinana izao, ary indrindra mba hananan’ny tanora mpianatry ny tanànan’Antananarivo fari-pahaizana tsara. Araka izany dia omena ireo ankizy ireo ny fahalalana ampy sy sahaza azy amin’izao cours Faradoboka izao hahafahany miatrika soa aman-tsara ny fanadinana baccalauréat amin’ny herinandro ho avy io.

Marihina fa notsongaina manokana ireo mpampianatra nampita fahalalana, ka ny taranja fototra ho an’ny sokajy A no nosafidiana hampitaina amin’ireo ankizy.