mairie-antananarivo – CUA – Pompier Vendée France

CUA – Pompier Vendée France

auteur 24 novambra 2017 Commentaires fermés
CUA – Pompier Vendée France

Nihaona tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny CUA, Atoa Razafimahefa Heriniaina, izay nisolo tena ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, notronin’ny lehiben’ny sampandraharaha mpamonjy voina eto an-drenivohitra,Cdt Rakotondrabe Jean Fidel ny Association des Sapeurs Pompiers Vendée France notarihan’ny filohany , Lt Eric Chaupin sy ny Cdt Lionel Guérain tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely androany Zoma 24 Novambra 2017.

CUA

Izany dia ny hitohizan’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta amin’ny fanampiana ny Pompier eto Antananarivo Renivohitra izay nitsahatra efa hatramin’ny taona 2014. Efa tamin’ny taona 1998 no nisian’ny fiaraha-miasa ary fiara 37 sy Containers 09 misy fitaovana fampiasan’ny mpamonjy voina  no efa nomen’ny Association des Sapeurs Pompiers Vendée France tamin’izany. Ankehitriny dia tsapanany  fa mety tsara ny fiaraha-miasa amin’Antananarivo Renivohitra dia vonona indray izy ireo hanohy izany.

Enregistrer

Enregistrer