CUA sy ny OIF

administrateur 27 aogositra 2018 Commentaires fermés
CUA sy ny OIF

Hitohy ary hiha-matotra hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny fikambanana iraisam-pirenen’ny Frankôfônia. Nisongadina izany androany maraina teo, nandritra ny fihaonana teo amin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana sy ny Ambasadaoro, solontenam-paritry ny Frankôfônia aty amin’ny Ranomasimbe Indiana, Malik Sarr, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely.

CUA

Nambaran’ity ambasadaoron’ny Frankôfônia ity fa nivoitra nandritra ny fihaonana, ny fankasitrahan’izy ireo ny ben’ny tanàna  noho ny fandraisana mendrika ireo ben’ny tanàna avy amin’izao tontolo izao miisa 160 farany teo, izany dia amin’ny maha-filohan’ny AVCOI na ny fikambanan’ireo tanàn-dehibe sy ireo vondrom-bahoakam-paritra, ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana.

Ny fiaraha-miasa ho tanterahana fohy ezaka araka ny nambaran’ny ambasadaoro Malik Sarr dia eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny tanàna, ny fanodinana fako, ny angôvo, ny resaka jiro, ny momba ny fandraharahana, eo koa ny fanofanana ireo vehivavy sy tanora ho amin’ny fampandrosoana,…