Démolition Nanisana

auteur 4 octobra 2017 Commentaires fermés
Démolition  Nanisana

Notanterahina ny 03 Oktobra 2017 ny fandravana ilay trano miorina eo amin’ny toerana tsy azo  anorenana eo Nanisana. Araka ny  « Arrêté Municipal n° 543 – CUA/CAB.17 portant démolition de la Construction irrégulière à usage commercial érigée sur l’emprise du domaine public appartenant à Dame TOBEE Marie Jeanne démeurant à Nanisana Ladimbola ».

Rehefa nanatanteraka fitsirihana ny « Inspécteur de voirie » ny volana Desambra 2016 dia anisan’ireo trano miorina tsy ara- dalàna ity trano ity. Taorian’izay dia nisy ny fampitandremana nomena  ireo tompon’ny trano, ary  narahina fampiantsoana   teny anivon’ny Kaominina ny volana Febroary 2017 izany.  Ny volana Aprily dia nisy indray fidinana ifotony nataon’ireo « agent topographique » avy eo anivon’ny Kaominina nanamarina fa tena miorina eo amin’ny faritra tsy azo anorenana tokoa ilay trano. Araka izany dia nisy ny taratasy fampitandremana faharoa sy fanerena ny tompon’ny trano mba hamerina ny tany amin’ny laoniny (remise à l’état initial). Nisy ihany koa ny torohevitra nomen’ny Filoham- pokontany ilay tompon’ny trano mba hiditra any anaty tsenam- pokontany ka nomena fe- potoana herinandro izy ireo.

CUA

Rehefa niziriziry tamin’ny heviny ilay tompon’ny trano dia tsy maintsy niroso tamin’ny fandravana ny fiadidina ny tanànan’Antananarivo satria ny tombotsoa iombonana no tanjona.

Marihina fa ny asa fandravana manontolo dia natrehin’ ny vadintany (huissier) hatramin’ny farany.