Didimpoitra faobe boriboritany faharoa-CUA

administrateur 30 jolay 2018 Commentaires fermés
Didimpoitra faobe boriboritany faharoa-CUA

Ankizy miisa 50 no natao didimpoitra faobe androany maraina ny  28 jolay 2018 izay notontosaina tetsy amin’ny firaisana faharoa Ambanidia  ; 2taona ny zandriny indrindra ary  6 taona no zokiny tamin’izany  izay nisitraka fandidina maimaim-poana avy ao amin’ny boriboritany faharoa ihany izay tafiditra ao anatin’ny  fokontany 24.

Nanokatra ny hetsika sy nitarika izany  ny Delegen’ny Boriboritany faharoa Razafindraibe Jacques sy ireo Mpanolotsain’ny Tanànan’Antananarivo avy ao amin’ny boriboritany faharoa ary ireo mpiara-miasa. Ny tanjona amin’izao hetsika izao hoy ny Delege dia ny fitsijovana sy ny fanalana ny fahaseranan’ny vahoaka   ary tsy misy resaka politika  izao hetsika izao, fa ny  fijerena ny sosialim-bahoaka  no laharam-pahamehana araka ny Vinan’i Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana ho izy.

CUA

Nisy  ny kilalao, malabary , ranomboakazo, ary fanomezana samihafa izay nomena an’ireo ankizy tsirairay avy vita didimpoitra avy ao amin’ny boriboritany. Dokotera 2 avy ao amin’ny « Centre Siloama » Anjohy miaraka amin’ny ekipan’ny CSBII Volosarika  no nanatanteraka ny fadidina ireo ankizy. Ezaka avy ao amin’ny boriboritany faharoa no nanatontosaina ny hetsika ary nisy koa ireo tohana avy amin’ny olona mahalala tanana.

Araka izany dia manome fankasitrahana  feno  ny ekipan’ny boriboritany faharoa  amin’ireo Mpanolotsainan’ny Tanàn’Antananarivo  voafidy  tao amin’ny boriboritany faharoa  izay nanampy tamin’ny  enti-manana tamin’ny hetsika izao ;Ary  Tsy diso anjara amin’izany koa ireo Orinasa nanohana ny hetsika : toy ny MELLIS Distribution, MADASOPHAR,Pharmacie Hanitra Ambanidia,JUMBO SCORE ,TOTAL Fierenana, BOA Ambanidia sy ny miara miasa rehetra.