Didimpoitra faobe-boriboritany fahatelo

administrateur 3 aogositra 2018 Commentaires fermés
Didimpoitra faobe-boriboritany fahatelo

Araka ny  Vinan’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana dia anisan’ny atao laharam-pahamehana ny Sosialim-bahoaka. Ka izany indrindra no antony  nanaovana hetsika   Didimpoitra faobe maimaimpoana, izay  notontosaina androany maraina tetsy amin’ny biraon’ny Boriboritany fahatelo Antaninandro.

Natao koa izao hetsika izao hoy ny Delegen’ny Boriboritany fahatelo  Rado Andriamamonjisoa  nohon’ny fangatahan’ny vahoaka teo amin’ny boriboritany  ary nohenoina ny hetahetan ‘izy ireo, amin’ny  fanalana ny fahasahiranan’ny Vahoaka.

Zazalahy kely  miisa 33 no nahazo tombontsoa tamin’izany, 2 taona ka hatramin’ny 5 taona, izay avy ao anatin’ny fokontany 34 manerana ny Boriboritany fahatelo. Nomena  malabary 2 avy isaky ny ankizy   sy  kilalao ary vatomamy ireo ankizy vita fora.

Dokotera 3, mpanampy 5 avy amin’ny Departemanta misahana ny fahasalamana avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) no nanatanteraka ny famorana ireo ankizy. Marihana fa ezaka avy amin’ny boriboritany fahatelo no nahatonga izao hetsika izao ary misy koa fiaraha-miasa amin’ny malala-tanana, ka anisan’izany ny fanomezan’ny Antoko Tiko i Madagasikara (TIM) ireo malabary 2 avy isaky ny ankizy. Mametraka fisaorana mitafotafo ny boriboritany fahatelo tamin’ny fanampiana avy amin’ireo olona nanampy rehetra tamin’izao hetsika izao.