Dio maharitra teny amin’ny RN7

auteur 7 novambra 2017 Commentaires fermés
Dio maharitra teny amin’ny RN7

Nanomboka androany maraina ny tetik’asa « Dio maharitra » teny amin’ny RN7, izay karakarain’ny boriboritany faha efatra. Natao nandritra izany ny fanalana ireo fasika nentin’ny riaka nitoby teny amin’ny arabe, ny fanalana bozaka teny amin’ny sisiny ary ny famafana ny lalàna. Izany dia natomboka teo Anosy ka hatrany  amin’ny tetezan’ny Tanjombato sy ny Boulevard de l’Europe. Rahampitso kosa no hotanterahina ny « curage canal »  manodidina ny RN7.

Nandray anjara mavitrika tao anatin’ny hetsika avokoa ny mponina, sy ny mpivarotra, ny ekipa avy tao amin’ny boriboritany, ary ny RF2.

CUA

Izao hetsika izao dia natao indrindra mba hampaharitra ny fahadiovan’ny Tanàna ary hanovana ny toe-tsain’ny mponina  mba ho tia fahadiovana. Araka ny anarana « dio maharitra » moa, dia fanadiovana maharitra no hatao fa tsy vonjy maika.