Fahavitan’ny lalan-kely Ankazomanga atsimo

auteur 8 septambra 2017 Commentaires fermés
Fahavitan’ny lalan-kely Ankazomanga atsimo

Nandeha nidina teny ifotony ary nijery sy nanaraha-maso ny fahavitan’ny lalan-kely teny Ankazomanga Atsimo ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Boriboritany faha-6 ny Alakamisy 7 Septembre 2017.

Raha araka ny nambaran’ny sefo fokontany Ankazomanga Atsimo Andriamatoa RANDRIANARIVELO Fredison dia tena anisan’ny nampikaikaika ny vahoaka ity lalana ity teo aloha, indrindra fa rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra ankehitriny anefa hoy izy dia tena faly ny mponina satria dia vita soa aman-tsara ny lalana ka isaorana ireo rehetra izay niaraka nifandrimbona tamin’izany. Maherin’ny 2 000 eo ho eo ny olona mampiasa ity lalan-kely ity isan’andro hoy hatrany ity sefo fokontany ity noho izy ahitana fiangonana ary toeram-pitsaboana.

Mirefy 163 metatra eo ho eo ity lalan-kely ity ary natao rary vato sy nasiana lakan-drano eo afovoany. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny Projet lalan-kely faha 2 izay vatsian’ny AFD (Agence Française Developpement) vola  izao fanamboarana izao. Hatolotra amin’ny fomba ofisialy ho an’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ny fitantanana ity foto-drafitr’asa ity ny andron’ny Talata 12 Septembre 2017.

CUA