Famaranana FUTSAL- CUA

administrateur 24 septambra 2018 Commentaires fermés
Famaranana FUTSAL- CUA

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny kianja Mitafon’i Mahamasina ny lalao famaranana FUTSAL, na foot à 7 izay nokarakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nandrombaka ny  amboara natolotry ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana nandritra ny lalao famaranana  tamin’ity FUTSAL ity ny ekipan’ny Boriboritany voalohany raha nampiondrika ny ekipan’ny Polisy monisipaly tamin’ny isa 4 no ho 2 tamin’ny lalao famaranana. Nahazo ny laharana faha -3 kosa  ry zareo avy amin’ny DCVC na ny foibem-pitondran’ny kolontsaina sy ny fiainam-piaraha-monina ao amin’ny CUA.

Hetsika  ara-panatanjahatena nentina hampialana voly ireo mpiasan’ny boriboritany enina sy ny avy ao anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra foibe ity natao ity ary ezahan’ny mpikarakara hisy isantaona. Andiany voalohany no vita izao araka ny fanazavan’ny tale misahana ny kolontsaina sy ny fiainam-piaraha-monina na ny DCVC ao amin’ny CUA, Patrick Andriamisa Ramihone. Tonga nanolotra ny amboara avy amin’ny Ben’ny tanana Lalao RAVALOMANANA teny an-toerana ny Sekretera jeneralin’ny kaominina, Heriniaina Razafimahefa, notronin’ireo mambran’ ny kabinetra sy ny tale isan-tokony ary ireo delegen’ny boriboritany enina mandrafitra ny kaominina Antananarivo Renivohitra.