Fampandrenesana làlana tapaka mandritra ny « Cross de l’Indépendance »

auteur 20 jona 2017 Commentaires fermés

Mandrindra ny fifamoivoizan’ny fiara rehetra tsy an-kanavaka mandritra ny andron’ny Sabotsy 24 jona 2017.

Ny Fiadidina ny Tanànan’Antaninarivo Renivohitra dia mampandre ny besinimaro indrindra ireo mpampiasa làlana fa mba hampizotra tsara ny « cross de l’Indépendance » ny andron’ny zoma 24 jona 2017, dia arindra ho toy izao manaraka izao ny fifamoivozan’ny rehetra tsy an-kanavaka.

Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahan-dalana amin’ireto lalana voalaza manaraka ireto :

Araben’ny fahaleovantena Analakely – Araben’ny 26 jona 1960 Analakely – Tunnel Ambohidahy – Lalana Jean RALAIMONGO – Lalana MOHAMED V (st Micihel) – lalana RAHARISON Norbert (manoloana ny police V) – Lalana ANDRIBA Mahamasina (Gerb’or) -Palais de sports.

Koa ilazana ny tsirairay mba hanaraka ny toromarika avy amin’ny tompon’andaraikitry ny filaminana sy ny fandrindrana ny fifamoivoizana eny an-toerana.

Marihana fa ny ilan’ny lalana ihany no ampiasaina amin’io ny eto amin’ny araben’ny fahaleovantena hoy ny tompon’andraikitra avy ato amin’ny  kaominina.