Fampidirana ireo mpivarotra : Ambany tetezana Behoririka

auteur 2 febroary 2017 Commentaires fermés
Fampidirana ireo mpivarotra : Ambany tetezana Behoririka

Androany 02 Janoary 2017 no natolotry ny Délégué ny Boriborin-tany fahatelo,izay misolotena ny Ben’ny Tanana Lalao Ravalomanana ny toerana ho an’ireo mpivarotra amoron-dalana nanomboka teo amin’ny “Station SHELL” hatrany  ambany tetezan’i Behoririka; ka nampidirina teo amin’ny mpivarotra “éponge” taloha akaiky ny EPP Behoririka  sy manolona ny EPP.

Tao aorian’ny fivoriana izay nampiantsoana azy ireo teny amin’ny Lapan’ny Tanàna no nahafantarana ny isan’ ireo mpivarotra marina. Araka izany dia miisa 194 izy ireo, ka manomboka izao dia ahazo toerana tsirairay avy ,eny Behoririka.

Mirefy iray menatra avy ny anjaran’ny tsirairay ary sokajiana araky ny  entana  varotany  mba hisian’ny fandrindrana eo an-toerana. Ireo mpivarotra« éponge »  kosa dia nafindra eny amin’ny « Sodiate » ampitan’ny TOYOTA Rasseta.

Nizotra am-pilaminana  avokoa ny famindràna ireto farany. Nanaiky ny fandaminana niarahana nidinika  ireo mpivarotra satria dia tombony ho azy ny fidirana anaty tsena ara-dalàna. Manomboka izao dia takiana amin’izy ireo hofa-tsena izy ireo ary araha- maso  amin’ny fahadiovana sy filaminan’ny tsenany.