Fampitam-baovao

auteur 10 novambra 2016 Commentaires fermés
Fampitam-baovao

Nitondra fanazavana momba ny savorovoro nitranga teny Analakely nanoloana ny Lapan’ny Tanàna ny Alarobia teo ny Talen’ny Kabinetran’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Rabarijaona Jean Claude.

Nampalahelo ny toe-javatra toy ireny hoy izy satria niteraka korontana sady naharatrana olona. Efa noraisina ny fepetra ka tao anatin’izany ny nahazoan’ireo naratra ny fitsaboana sahaza azy.

Nisy avy hatrany ny fanadihadiana izay nataon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra hahafantarana ny marina, nanao toy izany koa ny Zandary eny Ankadilalana ka anisan’ny hanaovana famotorana ny Polisy Monisipaly 34.

Nohamafisin’ny Tale Kabinetran’ny Ben’ny Tanàna fa miezaka ny Kaominina Antananarivo Renivohitra manome fihofanana ireo Polisy Monisipaly ka ny tanjona dia ny Fampandrosoana ny Tanàna, mitohy koa ny fanadiovana ary entanina ny rehetra mba samy hanaraka ny fandaminana sy ny lalàna mba hahazoam -bokatra tsara.