Fanadiovana Ambodifilao sy ny manodidina

auteur 30 aogositra 2017 Commentaires fermés
Fanadiovana  Ambodifilao sy ny manodidina

Aman-taonina isan’andro ny fako avelan’ireo mpivarotra amoron-dalana, ny 4-mi, ny mpandalo sy ny maro hafa koa eto an-drenivohitra ka izay indrindra no anton’ireo hetsika fanadiovana maro izay atao eto anivon’ny fari-piadidiana ny Tanànan’Antananarivo.Ny Alarobia 30 Aogositra dia ny teny Ambodifilao (manodidina ny Institut d’hygiène, Hotel Pacifique) no nanaovana ny asa fanadiovana. Ny tanjona dia ny hitazonana ny fahadiovana, eo ihany koa ny fanairana ireo mponina mba handray anjara amin’ny fahadiovana, ny eto anivon’ny Kaominina no hanomboka ny asa ary ny vahoaka kosa no hanohy izany.

 CUA

Noentanina hamonjy ireo toerana natokana ho azy ireo  ny 4-mi , nodiovina tamin’ny rano ireo toerana izay nitobiany.Ireo baoritra, vato, latabatra, hazo izay navelan’ireo mpivarotra tsy ara-dalàna ihany koa dia noraofin’ny Kamiao ben’ny Kaominina ; ankoatra ireo dia nisava ny karatra an’ireo mpivarotra tao amin’ny Petite Vitesse ny tompon’andraikitra ny tsena teo anivon’ny Boriboritany Voalohany mba hahafahana manao ny fandaminana.Niara-nisalahy tamin’izany asa fanadiovana izany ny Polisy Monisipaly, ny Pompiers ary ireo ekipa teknika avy ao amin’ny Boriboritany Voalohany.

 

Tsy mitsahatra eo ny fanadiovana ny tanàna fa mbola hitohy hatrany, ankoatra izay dia manao fanentanana ireo mponina manodidina ihany koa ny Kaominina mba samy handray ny andraikitra tandrify azy.