Fanadiovana faobe ny tsenan’ ny Mahamasina sy ny tsenan’ny Namontana

auteur 12 octobra 2017 Commentaires fermés
Fanadiovana  faobe ny tsenan’ ny Mahamasina sy ny tsenan’ny Namontana

 

Notanterahana nyalarobia 11 oktobra 2017 teo ny famendrahana ranom-panafody ny tsenan’ny  mahamasina sy Namontana izay notontosain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Izany hetsika izany dia niarahana tamin’ireo lehiben’ny tsena teny anivon’ny boriboritany. Marihana fa nakatona tanteraka ny tsenan’ny Mahamasina tamin’io Fotoana nanantanterahana ny asa io. Efa asa  fanao andavanandron’ny Kaominina moa izany, fa amin’izao vanin’  andro fisihanan’ny valan’aretina Pesta   izao, dia nohamafisina ny fanadiovana ny tanàna ary ny fampiharana ny lalàna mifehy ny fahadiovana manerana an’Antananrivo Renivohitra.

CUA

 Araka izany dia entanina hatrany isika Mponina   mba handala sy hanaja hatrany ny fahadiovan eny amin’ny toerana misy antsika tsirairay eny, satria ny fahadiovana no antoky ny fahasalamana.