Fanadiovana ny tsena Analakely sy ny manodidina

auteur 28 novambra 2017 Commentaires fermés
Fanadiovana ny tsena Analakely sy ny manodidina

CUA : Boriboritany Voalohany

Fanadiovana ny tsena Analakely sy ny manodidina

Anisan’ny vinan’ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ny fanadiovana sy ny fandaminana ny Tanàna, ny Alatsinainy faha 27 Novambra 2017 dia ny Pavillon Analakely sy ny manodidina no nanaovan’ireo ekipa mpanadio avy eo anivon’ny Boriboritany Voalohany sy ny Pompier ary ireo mpivarotra teny an-toerana ny fanadiovana. Ankoatra ny asa fanadiovana dia nanentana ireo mpivarotra ihany koa ireo tompon’andraikitry ny tanàna mba hamonjy ireo tsena ara-dalàna.

Hiverimberina matetika ny hetsika fanadiovana ny tanàna toy izao hoy ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Kaominina mba hisian’ny fandaminana ny tanàna indrindra fa ny  fifamoivoizana sy ny fifamezivena an-dRenivohitra, eo ihany koa ny fisorohana ny mety hitrangan’ny valan’aretina toy ny pesta ary farany dia ny fitaizana ny olona tsirairay mba hizatra sy halala madio mandrakariva.

Mbola hitohy ao amin’ny Hotely ZAIMAIKA ity hetsika fanadiovana ity.Tsy haitraitra  ny fanadiovana sy ny fidiovana fa  tokony hatao fiainana mihitsy.