FANAMBARANA

administrateur 16 may 2018 Commentaires fermés

FANAMBARANA

 Ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) dia manambara sy mampahafantatra ny rehetra fa Andriamatoa Randrianarisoa Eugène dit Stratège-man, izay milaza fa tale jeneralin’ny CUA dia tsy mpiasa sady tsy niasa tao amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo, tsy misy rahateo izany toeran’ny tale jeneraly izany ao anivon’ny Kaominina. Noho izany, ny CUA dia tsy tompon’andraikitra amin’ny zavatra ataon’ity Andriamatoa  Randrianarisoa Eugène dit Stratège-man ity, ary tompon’andraikitra  izay rehetra miara-miasa aminy  amin’ny anaran’ny Kaominina .