Fanambaran’ny Filohan’ny Filankevitry ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra

administrateur 18 aprily 2018 Commentaires fermés
Fanambaran’ny Filohan’ny Filankevitry ny Tanànan’Antananarivo  Renivohitra

Nanao fanambaràna ny Filohan’ny Filankevitry ny Tanànan’Antananarivo  Renivohitra Andriambahoaka Faustin ny Alarobia 18 Aprily 2018 tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely fa manohana zato isan-jato ireo Solombavambahoaka 11 voafidy teto Antananarivo Renivohitra izay nitsipaka ny lalam-pifidianana naroso teny amin’ny Antenimieram-pirenena farany teo.

Nohamafisiny fa mitondra ny tenin’ny vahoaka ny Solombavambahoaka , ny Filankevitry ny Tanàna kosa hoy izy  dia  nofidian’ny vahoaka noho izany dia manohana ny hetsika amin’ny Sabotsy izy ireo satria ny vahoaka no nametraka ireo Mpanolontsainan’ny Tanàna eo amin’ny toerany.

Ankoatra izay araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Mpanolontsainan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ihany dia misy kosa ny Mpanolontsainan’ny Tanàna izay miteny any ambadimbadika any fa mankasitraka ilay Lalàna fehizoro lany teny amin’ny Antenimieram-pirenena farany teo. Diso tanteraka izany hoy izy ary ny olona miteny izany dia tsy afaka miteny amin’ny anaran’ny Filankevitry ny Tanànan’Antananarivo.