Fanamboarana lalana Andravoahangy Ambodivona tsena

administrateur 7 aogositra 2018 Commentaires fermés
Fanamboarana lalana Andravoahangy Ambodivona tsena

Napetraka androany ny vato fehizoro ho fanohizana  ny fanamboarana ny lalana miditra eo Ambodivona Andravoahangy tsena Faritra faharoa manoloana ny fivarotana voamaina, nitarika izany ny  Delegen’ny Boriboritany fahatelo Rado Andriamamonjisoa  sy ny Filohan’ny fokonolona Andriamatoa Ranaivoarison Germain, ary ny  mponina rehetra teny an-toerana.

Ny antony fanatsarana dia nisy fanentanana nataon’ny Boriboritany fahatelo tamin’ny mponina teny an-toerana; nohon’ny fahitana fa tena simba tanteraka ny lalana miditra mankany sy ny  fitsinjovana ny vahoaka araka ny vinan’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana. Tsapan’ny mponina ihany koa fa tena sahirana ry zareo amin’ny fidirana eo amin’ny lalana  satria tena simba tanteraka izany;  izay tsy azo idiran’ny fiara ary tena dibo-drano  rehefa fahavatra.

Araka izany dia tsy nikely soraka ny mponina manodidina teny an-toerana  nanome tanana tamin’ny fanamborana ny lalana, izay hatao rarivato na pavé. Mirefy 50 metatra eo ny halavany ary 5 metatra ny sakan’ny lalana hamboarina ary haharitra 20 andro eo ny faharetan’ny asa.

Nankasitraka ho an’ireo mponina teny an-toerana ihany koa  ny Delegen’ny Boriboritany amin’ny ezaka izay hataon’izy ireo  satria tena miteraka tombontsoa maro ho an’ny mponina ny fahatsaran’ny lalana ary nankahery ho an’ny fikambanana koa izy.

Nanome fankasitrahana ho an’ny Ben’ny Tanana Lalao Ravalomanana ihany koa ny mponina teny an-toerana   amin’ny fanomezan-dalana amin’ny fanamboarana ny lalana.