FANAMBOARANA « PARKING » – Antanimbarinandriana

auteur 16 febroary 2017 Commentaires fermés
FANAMBOARANA « PARKING » – Antanimbarinandriana

Natomboka androany ny asa fanotorana sy fanamboarana ny toby fiantsonan’ny fiara teny Antanimbarinandriana.NyTananan’AntananarivoRenivohitra no tompon’antoka amin’ny fanatanterahana izany.

Tafiditra indrindra ao anatin’ny fotodrafitr’asan’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra,izay antsoina hoe “Amenagement Urbain”io vava asa io :dia ny fananganana ny zaridaina sy toby fiantsonan’ny fiara.

Izao no natao mba hanatsarana ny Renivohitra sy hanamora ny andavanandron’ny mponin’Antananarivo. Noho izany, ny zaridaina dia hatao hipetrapetrahan’ny olona sy hakana aina ary  koa haingon’ny tanàna, ny “parking” kosa hitobian’ireo fiara izay mila izany.Haharitra tapa-bolana eo ho eo ny asa.

An-koatrin’ny fandaminana ny tanàna, dia miezaka hatrany ny tananan’Antananarivo amin’ny fanaovana asa fanatsarana sy fanadiovana ny tanàna.