Fanapahan-dalana Petite Vitesse

administrateur 4 jolay 2018 Commentaires fermés

Ao anatin’ny fanatsarana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra dia hisy ny fandaminana ny fifamoivoizana manomboka amin’ity herinandro ity. Noho izany  dia mampandre ny besinimaro ny Talen’ny Fitaterana sy ny fivezivezana An-Drenivohitra  Raveloson Landy Harilala eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, fa ho tapaka ny  antsasakin’ny lalana Rainibetsimisaraka izay miditra eo Soarano mahazo ny Petite vitesse iny ny alatsinainy ka hatramin’ny sabotsy, mandritra ny 2 volana sy tapany eo na telo volana. Ny Alahady kosa dia tapaka tanteraka ny lalana sy ny amin’ny alina.