Fandiovana ny lakan-dranon’Andriantany Ankadimbahoaka

auteur 7 desambra 2017 Commentaires fermés
Fandiovana ny lakan-dranon’Andriantany Ankadimbahoaka

Nitohy androany ny asa fanadiovana ny lakan-dranon’Andriantany, na ny fefiloha eny Ankadimbahoaka. Tsy vitan’ny nanala ireo fako sy fotaka tany anaty lakan-drano tatatra fa nanala ireo bozaka sy nanarina ny sisiny manodidina ihany koa. Tonga nitsidika teny an-toerana mandritra izany ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Rtoa Lalao RAVALOMANANA sy ireo delegasiona miaraka aminy nanara-maso ny fizotry ny asa. Ny ESA (Equipe Spécialisé d’Assainissement) sy ny RF2 ary ny boriboritany faha-efatra moa no nifarimbonana natanteraka izany.

CUA

Marihina fa hatao toerana fitaratra ny fefiloha Ankadimbahoaka manomboka eto. Hisy araka izany ny fandaminana toy ny hoe : hosaziana izay mbola tratra mandoto sy manary fako manodidina ity lakan-drano ity. Hasiana dabam-pako ihany koa eny an-toerana rehefa voafaritra ny toerana tokony hasiana azy, mba ahafahan’ny mponina manary izany. Izany dia hokarakarain’ny RF2 eny antoerana.