Fandoavan-Ketra Kaominina Antananarivo-Renivohitra

auteur 14 desambra 2016 Commentaires fermés

Hitohy hatramin’ny 22 desambra 2016 izao indray ny hetsika fandoavan-ketra tsy misy sazy izay tontosaina eto amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely raha efa nisy nandritra ny iray volana izay voatokana ho an’ny Boriboritany 6.Ny antony fanohizana  dia noho ny fangatahan’ny be sy ny maro ary hita fa mbola betsaka ireo olona mbola te hanefa ny adidiny.Marihana fa nahitana fahombiazana izany hetsika izany raha ampitahaina tamin’ny taona lasa ary mbola manentana hatrany ireo olona mbola tsy nanefa ny anjarany ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Ny Boriboritany faha dimy sy voalohany no tena  nahitana  taham- pavitriana ary ny avy ao amin’ny Firaisana faha 6 kosa no taha ambany indrindra. Tokony hitondra « avis d’imposition sy kits » farany nandoavana ny hetra ny olona handoa hetra nefa raha tsy hita intsony ireo dia tsy misy ny olana fa mahazo tonga foana mandoa izany .