Fankalazana ny andron’ny vehivavy dorkasy FJKM Mahamasina

auteur 9 martsa 2017 Commentaires fermés
Fankalazana ny andron’ny vehivavy dorkasy FJKM Mahamasina

Tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, nankalaza ny andro maneran-tany ho an’ny vehivavy androany maraina 07 martsa 2017 ny sampana dorkasy Foibe ny FJKM eto Madagasikara  sy any ampitan-dranomasina.

Nanatrika izany ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana. Nasaina ihany koa ireo vadina mpikambana ao amin’ny andrim-panjakana sy ny governemanta, ary koa ny parlemantera vehivavy ka ny  Pasitera  RAHANTANIRIVO Florence no nitarika ny fotoam-pivavahana  mikasika ity hetsika ity.

CUA
Mialohan’izany dia nisy  ny teny fohy nataon’ny Ben’ny tanàna Rtoa Lalao Ravalomanana. Izay Nanambara  tamin’ny fandraisam-pitenenana nilaza hoe « Vehivavy sambatra, nofidiana tao anatin’ny maro ianareo ary isaorana Andriamanitra, tsapa sy hita fa Andriamanitra fitiavana izy ka nasiany ny andro androany , nasiana fitoam-pivavahana satria sarobidy eo anatrehan’Andraiamanitra isika ».

Marihana ihany koa fa ny Ben’ny Tanana Lalao Ravalomanana sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no anisan’ny nanampy be tamin’ity hetsika ity.